Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-26

2 Dia nitsangana Saola, ka nidina nankany an'efitr'i Zifa, mbamin'ny telo arivo lahy, voafantina tamin'Israely, hitady an'i Davida, any an'efitr'i Zifa. 7 Alina no nahatongavan'i Davida sy Abisaï tany amin'ny vahoaka; ary inty Saola nandry tao afovoan'ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny ondany; Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.

8 Dia hoy Abisaï tamin'i Davida: Voahidin'ny Tompo eo an-tànanao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin'ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin'ny tany amin'ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany. 9 Fa hoy Davida tamin'i Abisaï: Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tànana amin'ny voahosotry ny Tompo, ka afa-maina tsy ho voasazy? 12 Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan'ny ondan'i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan'ny Tompo torimaso nandrenoka azy izy ireo. 13 Niampita teny an-dafy Davida, ka nijanona lavitra teo an-tampon'ny tendrombohitra nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta.

22 Namaly Davida hoe: Indro ny lefona, ry mpanjaka. Ny iray amin'ny zatovonao no aoka haka azy ety. 23 Samy hovalian'ny Tompo araka ny fahitsiana amam-pahamarinany avy; fa efa natolotry ny Tompo teo an-tànako hianao androany, nefa tsy nety naninjitra ny tànako tamin'ny voahosotry ny Tompo aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0685